Noforoniko ity "blog" ity, ho an'izay liana te-hahafantatra bebe kokoa an'i SITENY RANDRIANASOLONIAIKO. Ilay mitondra mpianatra mendrika any New York no nahalalan'ny maro azy, ankoatra ny maha-mpandraharaha matanjaka, olomboafidy sy Malagasy voalohany, voafidy ho filohan'ny Judo manerana ny Afrika azy.

Niainga t@ "zéro", nisedra lalam-piainana mafy dia mafy sy nitolona izy vao tonga @ izao sehatra avo misy azy izao. Efa nanao asa maro isan-karazany (mibata rano tany an-tsena, nanao gardien sy docker...) izay vao niverina nianatra tany Afrika Atsimo t@ faha-26 taonany, ary tonga mpandraharaha matanjaka teo @ sehatry ny fifandraisan-davitra rehefa niverina teto an-Tanindrazana.

Ho ahy manokana, dia mendrika fidiana ho Filoham-pirenena malagasy i SITENY R. @ 2023 raha mirotsaka. Mahafeno ny fepetra rehetra ara-tsaina, ara-pahaizana, ara-bola, ara-batana ary indrindra fa ara-panahy, hanarina ny firenena sy hampitraka indray ny Malagasy, i Siteny R. 

Ny fanaovana asa soa izay nampiavaka azy nandritra ny 15 taona @ alàlan'ny Fondation Siteny dia ahitana taratra fa "tsara fanahy" sy mitsinjo ny madinika izy. Izany no olona ilain'i Madagasikara.

NB : Tsy "site officiel" akory ity fa "Blog personnel" @ teny malagasy, izarako ny vokatry ny fanadihadiana nataoko sy ny fanangonana ny sary momba an'i Siteny R. Mankasitraka sahady !

Pana Reeve, Olom-pirenena tsotra, Mpanao gazety teo aloha

Nandritra ny fotoana nandratoany fianarana tany Afrika Atsimo dia nivezivezy t@ tany miteny anglisy maro toa an'i Etazonia koa i Siteny Randrianasoloniaiko. Afaka nanorim-ponenana sy niasa tany Afrika Atsimo izy raha zohiana ny tambazotra sy ny fifaneraserany t@ mpandraharaha maro t@ ireo tany notsidihany.

Fony 12 taona i Siteny Randrianasoloniaiko no nanomboka nanao judo tao @ dojo tao Betania tantanan'i Maître Ashik Houssen Mamodaly na Me Aski. Tsikaritr'ity farany ny fahaizany sy ny fanajany ny fitsipika fitondran-tena ampiharin'ny mpanao haiady judo, ka na dia tsy nahaloa ny saram-pampianarana ara-dalàna isam-bolana aza i Siteny sy ireo namany...

Rehefa nahita fahombiazana teo @ lafiny fandraharahana i Siteny Randrianasoloniaiko dia tsy mba nirona tany @ fanangonan-karena na ny fampiroboroboana ny fidiram-bola tsy misy fetra, fa nanangana ny Fondation Siteny entiny manasoa ny tanora sy ny mpiara-belona.

Averin'i Siteny Randrianasoloniaiko matetika @ fandraisam-pitenenany rehetra fa ny fampiroboroboana ny Fanatanjehantena sy ny Fanabeazana ny tanora no anisan'ny adidy voalohany indrindra tokony ataon'ny tompon'andraikitra rehetra laharam-pahamehana eto @ ny firenena.

Anisan'ny ahafantarana ny Solombavambahoaka Siteny Randrianasoloniaiko ny fanoherany ny tetik'asa Base Toliara izay fantatra fa miteraka fahasimban'ny tontolo iainana.

Siteny Randrianasoloniaiko no Malagasy voalohany voafidy ho filohan'ny Union Africaine du Judo (UAJ). Manan-danja lehibe ho an'ny firenena izany, araka ny voalazan'ireo olo-manan-kaja sy Raiamandreny maro eto Madagasikara, izay nifampotoana tany Toliara, nandritra ny lanonana fitsofan-drano azy manoloana ny vahoakan'i Toliara iray manontolo ny 7...

Malala-tanana sy madio fo hatrizay, ary tia mizara sy manome tsy misy tambiny i Siteny Randrianasoloniaiko. Efa nandritra ny taona maro no nanaovany soa olona fa tsy vao omaly akory. Ankoatran'ireo asa soa efa fanaon'ny Fondation Siteny dia ireto misy asa fanaovan-tsoa ny mpiara-belona singanina manokana, niainga avy @ tambazotra Facebook.

Fony mbola kely i Siteny dia mpiservy lamesa mahafatra-po tao @ Katedraly Tsianaloka Toliara. Maro ireo namany mahatadidy fa tsy nataony vazivazy ny fivavahana fa tena nifantohany.

Hajime Siteny by Pana Reeve © Tous droits réservés 2021
Optimisé par Webnode
Créez votre site web gratuitement ! Ce site internet a été réalisé avec Webnode. Créez le votre gratuitement aujourd'hui ! Commencer