Ny Mpanoratra
Tao @ ESCA ANTANIMENA aho no nandranto fianarana nanomboka T1 ka hatr@ T12. Rehefa azo ny bacc dia nianatra teny Ankatso. Droit Public sy Sciences Politiques ny taranja nataoko (DEGS) ary avy eo dia tafiditra t@ Ecole de Journalisme (FLSH) teny @ Anjerimanontolo tao Antananarivo ihany.

Taorian'ny fahazoako ny Maîtrise en Journalisme (3e Promotion) dia niasa tao @ MA-TV sy MA-FM aloha, avy eo dia noraisin'i MIDI MADAGASIKARA ho Journaliste politique (Mpanarivo Haryvelo no sonia).
Nalain'i Tsilavina Ralaindimby hiasa tao @ Agence ART COM ary notendreny ho Talen'ny Fanoratana tao @ Magazine TANA 7 JOURS.
T@ 2001 aho no nanomboka nila ravin'ahitra ivelan'i Madagasikara ary lasa mpanao gazetin'ny JOURNAL DE L'ILE DE LA REUNION (Pana Reeve no sonia), nandritra ny 15 taona.
Nanao Consultant en Communication stratégique aho nanomboka ny taona 2015 ary niara-niasa t@ olom-boafidy maro ao @ Nosy La Réunion, indrindra fa i Jean-Paul Virapoullé.
Efa nitana ny andraikitra Conseiller technique tao @ Minisiteran'ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsôsialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy (2016-2018) ny tenako ka nisahana ny serasera sy nandray anjara t@ fikarakarana ny Fifaninana tetik'asa manerana ny Nosy; ny fankalazana ny diabe @ 8 Marsa isan-taona; ny fanatanterahana iraka sy fanoratana kabary tany @ ONU (New York), fahazoana ny Vatsin'ankohonana ; ny famindrana ny fianakaviana 4'mis teny @ Vohitra Iombonana Andranofeno Sud...
Nanaraka fiofanana ary nahazo mari-pahaizana momba ny Stratégie de Communication sur les médias sociaux tao @ Université de Sorbonne tao Paris aho.
Niasa tao @ Kabinetran'ny Département de La Réunion aho fony naha filoha lefitra an'i Jean-Marie Virapoullé. Nanomboka t@ 2018 dia miasa @ Direction de la Communication misahana Rédaction sy Relation Presse.
Amin'ny sehatry ny fikambanana dia Filoha nanorina ny Fédération des Entités Œuvrant pour Madagascar na FEO MADAGASIKARA tao La Réunion aho (2017-2019) ary nikarakara lanonana maro. Anisan'ny namorona ny fankalazana ny FETY GASY (26 jona) sy ny TAOMBAOVAO MALAGASY tao La Réunion ary efa nanafatra mpanakanto isankarazany hanao fampisehoana teo anivon'ny fikambanana MEZZANINE MOZIKA (Erick Manana, Dynastie Mozika, Zambà, Tarika Johary, Groupe Sahy avy any Toamasina...)
Nitarika ny Tarika VETSO REUNION izay mpanao Kalon'ny Fahiny aho (2017-2018) ary nanoratra sy nanatontosa tantara tsangana vitsivitsy (Dinampitia, Vakomanitra, Volan'Ambatovinaky...) Efa nanao fampisehoana tany Paris, Nantes, Stuttgart sy New York ny tarika VETSO nampiseho ny kanto tena malagasy sy nikendry ny hanoratana ny Ba Gasy ho anisan'ny Vakoka iraisampirenena eo anivon'ny Unesco na Patrimoine immatériel de l'Humanité.
Teo @ sehatra pôlitika eto Madagasikara dia nandray anjara sy nitondra anjara biriky t@ fanohanana ny VALIMBABENA nosoratan'i Dama Mahaleo aho t@ 2018. Ary ankehitriny kosa dia miandrandra mafy ny hirotsahan'i Siteny Randrianasoloniaiko ho kandidà Filoham-pirenena, hanavotana an'i Madagasikara.