Iza moa i Siteny Randrianasoloniaiko ?

10/11/2021

Ny fahazazany tao Tsenengea

Teraka tao Toliara tamin'ny 27 jolay 1972 i Siteny Thierry Randrianasoloniaiko. 

Ny Rainy : Siteny Ebara, avy ao Androy, mpanefy firavaka. Ny Reniny : Ravaomaria, avy ao Fianarantsoa, manamboatra "gâteau" amidy eny amoron-dàlana. Manan-janaka 14 izy mivady ary i Siteny no fahatelo @ mpiray tampo. 

Tao Tsenengea, tanàna fonenan'ny olona sahirana ara-pivelomana, ao an-tampon-tananan'i Toliara, no nahalehibe azy. T@ sekolim-panjakana hatrany izy no nianatra : SFF, CEG sy LYCÈE ao Toliara.

Naniry mba hamaky Tintin sy Lucky Luke hitany tany @ namany izy, kanefa tsy nanana fahafahana nisoratra anarana akory tao @ Alliance Française (22 Ariary isam-bolana), toerana tokana nisy ireo bokisary ireo. 

Fony 12 taona izy dia niditra nanao judo niaraka t@ i Doda sy namany maromaro tao Betania (vakio ny lahatsoratra Judo)

Namelona olona 14...

Teo @ faha-20 taonany dia nodimandry tampoka ny Dadany. Ary i Siteny no nandimby Ray tsy satry, nandray ny andraikitra @ famelomana ny Reniny sy niantoka ny fianaran'ireo anabaviny 3 sy rahalahiny 9. Miampy azy, dia olona 14, izany no novelominy.

Kilasy famaranana "Terminale C" izy t@ io fotoana io saingy nafoiny hatreo ny nofinofiny mba hianatra Électrotechnique tany @ Oniversiten'Antsiranana !

Nataony daholo izay asa rehetra nampidiram-bola, ka anisan'ireny ny fiambenana tananan'olona (gardiennage), fibatana entana teny @ seranan-tsambon'i Toliara (docker), fivarotana "clarinette", fitaoman-drano tao an-tampon-tanànan'i Toliara... Ariary 10 ny "seau" iray t@ izany andro izany. Maro ireo ankohonana sy mpivarotra nividy rano taminy satria sady mifoha maraina alohan'ny mpatsaka hafa rehetra ny lehilahy, no mitsikitsiky lava sy masariaka @ olona rehetra.

Nony "niakatra" tao Antananarivo niatrika fifaninanana judo i Siteny dia nahatsikaritra elobe teny @ tsenan'Anjoma. Nanapa-kevitra izy ny hampanofa elo any @ tsenan'i Toliara rehetra, izay danihan'ny masoandro be mandavan-taona. Ka nividy elo vitsivitsy izy ary nampanofainy (fa tsy namidiny). Vetivety dia niroborobo io seha-pihariana natsangany io ka nanampy ny isan'ny elo hampanofaina hatrany izy. Tonga arivo mahery ny elobe nampanofainy ka nahavita nampiditra 150 000 ka hatramin'ny 200 000 Ariary isan'andro ny fampanofana ireo elobe. Ny lamba saron'ny elo sy ny vy mitazona azy no notaominy tsikelikely avy any Antananarivo mankany Toliara fa ny hazo tahon'ny elo sy ny "jantes" itazomana azy kosa dia ao an-toerana ihany. 

Tsy nihonona t@ io fidiram-bola io izy fa nividy masinina fanefena firavaka (machine de mise à taille), nanampy ireo fitaovan'ny rainy efa tao. Novainy ho lasa "Bijouterie Siteny" ilay "atelier" kelim-pianakaviana. Ao aminy no manefy volamena ireo mpitrandraka maro eran'i Toliara. Nijanona t@ fanefena volamena ny asany, nahavelona azy tsara ka tsy mbola nanondrana volamena ivelan'i Madagasikara i Siteny na iray miligrama aza

Lasa nianatra tany Afrika Atsimo

Nony efa niroborobo ny seha-pihariany rehetra dia tsy nandany vola t@ rendrarendra na maika higalabona hampiadan-tena i Siteny fa nanapaka hevitra hiverina hianatra. Efa feno 26 taona izy no nanao fifaninana idirana ao @ International Leadership School tany Afrika Atsimo ary voaray soa aman-tsara, na dia teny anglisy ranoray aza ny fanadinana.

Fitantanana orinasa ary Fahaizamitarika (Leadership) no taranja nianarany sy nahazoany mari-pahaizana. Nandritra ny lanonam-pamaranana nanamarihana ny fivoahan'ny andiany faha-24 nisy azy, no nifanenan'i Siteny Randrianasoloniaiko t@ mpianatra iray antsoina hoe Nelly Mileva, tera-tany Bulgare. Nanomboka teo dia niara-dàlana hatrany izy roa ary t@ 11 novambra 2001 no natao ny mariaziny.

Ireto misy horonan-tsary mirakitra ny fandraisan'ny zanany Gabriel sy Sonya anjara t@ TedX tao Antananarivo.

Hajime Siteny by Pana Reeve © Tous droits réservés 2021
Optimisé par Webnode
Créez votre site web gratuitement ! Ce site internet a été réalisé avec Webnode. Créez le votre gratuitement aujourd'hui ! Commencer