Mpino Kristianina

06/11/2020

Katedraly Tsianaloka

Fony mbola kely i Siteny dia mpiservy lamesa mahafatra-po tao @ Katedraly Tsianaloka Toliara. Maro ireo namany mahatadidy fa tsy nataony vazivazy ny fivavahana fa tena nifantohany. 

"I Siteny no mpamoha anay rehetra handeha hamonjy lamesa @ 6 ora maraina isan'andro tarihin'i Père José t@ izany andro izany" hoy ny fitantaran'i Doda, zanak'olom-pirahalahy aminy. Noho ny fahasahiranan'ny Ray aman-dReniny dia tsy mba nanana boky maro i Siteny t@ mbola kely fa ny Baiboly no naveriny novakiana isan'andro ka zary laniny tsianjery.

Nahazo fanasana avy @ Vatican

Amin'ny maha-filohan'ny UAJ (Union Africaine du Judo) azy, dia nahazo fanasana avy @ Vatican mba hanatrika ny zaikabe notarihin'ny Papa François mikasika ny fanatanjahantena i Siteny. Ny 30 septambra 2022 no nihaonany mivantana t@ Papa Ray Masina izay nandefa hafatra mafonja t@ io andro io mikasika ny tokony ampiasana ny Fanatanjahantena @ fampiroboroboana ny Fandriampahalemana. Anisan'ireo tompon'andraikitra nanao sonia ny fifanarahana t@ Vatican i Siteny, t@ io andro io.

Nivoaka t@ gazety Midi Madagasikara t@ 3 oktobra 2022 ny akon'ny dian'i Siteny tany Vatican.

Mifandray @ antokom-pinoana rehetra

Tsy ny EKAR ihany no mifandray sy mifanerasera @ i Siteny R. fa ny antokom-pinoana rehetra, na Kristianina, na ireo voalaza fa Fiangonana Zandriny, na Silamo, na ny Raiamandreny ara-dRazana.

Hajime Siteny by Pana Reeve © Tous droits réservés 2021
Optimisé par Webnode
Créez votre site web gratuitement ! Ce site internet a été réalisé avec Webnode. Créez le votre gratuitement aujourd'hui ! Commencer