Mpanasoa ny mpiara-belona
![](https://a69f198c86.cbaul-cdnwnd.com/a0262d3360e32ff80d181cd5d3a78ea4/200000010-88d6088d62/siteny%20moto%20policier.jpg?ph=a69f198c86)
Malala-tanana sy madio fo hatrizay, ary tia mizara sy manome tsy misy tambiny i Siteny Randrianasoloniaiko. Efa nandritra ny taona maro no nanaovany soa olona fa tsy vao omaly akory. Ankoatran'ireo asa soa efa fanaon'ny Fondation Siteny dia ireto misy asa fanaovan-tsoa ny mpiara-belona singanina manokana, niainga avy @ tambazotra Facebook.
Nahazo moto ny Pôlisy mendrika
Nanontanian'i Siteny Randrianasoloniaiko ny olona rehetra mpisera ao @ tambazotra Facebook hifidy izay Pôlisy mahay mandrindra ny fifamoivozana indrindra sy mahafinaritra ao Antananarivo Renivohitra t@ 2019. Notoloran'i Siteny Randrianasoloniaiko moto ireo pôlisy mendrika, nosafidian'ny vahoaka.
Efa maro koa ireo Raimpianakaviana nividianan'ny Siteny Fondation bajaj, ho entin'izy ireo mivelona sy mamelom-bady aman-janaka.
![](https://a69f198c86.cbaul-cdnwnd.com/a0262d3360e32ff80d181cd5d3a78ea4/200000039-b5491b5494/siteny%20bajaj.jpg?ph=a69f198c86)
Avotra soa aman-tsara i Eric Fou Hehy
![](https://a69f198c86.cbaul-cdnwnd.com/a0262d3360e32ff80d181cd5d3a78ea4/200000031-0d7610d764/siteny%20eric.jpg?ph=a69f198c86)
Nandefa antso avo tao @ tambazotra Facebook ny mpanao hatsikana Eric Fou Hehy noho ny tsy fahasalamany. Anisan'ireo nandray anjara mavitrika t@ fanampiana azy ny Fondation Siteny t@ Jolay 2018. Ankoatran'ny famangiana azy tany @ hôpitaly dia niara-nivavaka ho an'ny fahasitranan'i Eric Fou Hehy i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny zanany ary niantoka ny dian'i Eric sy ny vadiny nankany Inde. Vita soa aman-tsara ny fitsaboana azy. Sitrana izy ary afaka miverina manao ny asany ara-dalàna.
Fanampiana ny tanora mpanao fanatanjahantena
![](https://a69f198c86.cbaul-cdnwnd.com/a0262d3360e32ff80d181cd5d3a78ea4/200000032-28e8028e81/00%20terrain.jpg?ph=a69f198c86)
Na tsy asan'ny Solombavambahoaka aza ny manamboatra sy mamatsy foto-drafitrasa dia maro ireo asa novatsian'i Siteny Randrianasoloniaiko mivantana toy ny fandrakofana bozaka ny kianjan'Andaboly.
Manohana clubs maro @ taranja isankarazany koa izy (athlétisme, cyclisme ary judo mazava ho azy) ary manana club mihitsy @ handball. Matetika no mibata fandresena ireo clubs tohanany satria tsara karakara ny tanora ao anatiny. Fitenin'i Siteny Randrianasoloniaiko matetika ny hoe "Olona aloha vao béton".