Mpitondra avo ny fanevam-pirenena
Siteny Randrianasoloniaiko no Malagasy voalohany voafidy ho filohan'ny Union Africaine du Judo (UAJ). Manan-danja lehibe ho an'ny firenena izany, araka ny voalazan'ireo olo-manan-kaja sy Raiamandreny maro eto Madagasikara, izay nifampotoana tany Toliara, nandritra ny lanonana fitsofan-drano azy manoloana ny vahoakan'i Toliara iray manontolo ny 7 jolay 2021.
Tso-drano zava-mahery...
Anisan'ireo tompon'andraiki-panjakana sy olom-boafidy nanatrika ny fotoana :
- ny Filohan'ny Antenimierampirenena, Christine Razanamahasoa
- ny Filohan'ny Akademia Malagasy sy Mpitsara iraisam-pirenena, Pr Raymond Ranjeva (voafidy ho Filohan'ny Académie africaine des sciences religieuses, sociales et politiques nanomboka t@ 13 novambra 2021)
- ny Loholona, Filoha lefitry ny Antienimieran-doholona Nicolas Rabemananjara
- ny Solombavambahoaka maro (Jean-Jacques Rabenirina, Roland Ratsiraka...)
- ny Minisitra Tinoka Roberto
- ny Filohan'ny CAF teo aloha Ahmad Ahmad
- ny Minisitra teo aloha Pr Tehindrazanarivelo
- ny Praiminisitra teo aloha Monja Roindefo, zanaky ny Raiamandreny Monja Jaona...
30 taona niarovana ny voninahi-pirenena...
Tsiahivina koa anefa fa talohan'io, nandritra ny fiainany manontolo, dia niaro ny voninahi-pirenena hatrany i Siteny Randrianasoloniaiko teo @ sehatra iraisam-pirenena @ maha mpanao fanatanjahantena avo lenta azy. Nanomboka t@ Jeux des Îles 1990, izany hoe efa ho 30 taona mahery dia nisolo tena sy nitondra hatrany ny fanevan'i Madagasikara teo @ sehatra iraisam-pirenena sy tany @ firenena maro ny tenany.