Mpanao asa soa

05/11/2021

Rehefa nahita fahombiazana teo @ lafiny fandraharahana i Siteny Randrianasoloniaiko dia tsy mba nirona tany @ fanangonan-karena na ny fampiroboroboana ny fidiram-bola tsy misy fetra, fa nanangana ny Fondation Siteny entiny manasoa ny tanora sy ny mpiara-belona

Ho an'ireo mpianatra mendrika...

Ny fandefasana ireo mpianatra mahazo naoty tsara indrindra @ fanadinana Baccalauréat isan-taona any am-pitandranomasina no tena ahafantarana azy nanomboka t@ 2007. Maro ireo tanora efa nentiny nitsidika an'i New York sy Washington tany Etazonia, mba hampihitatra sy hampisokatra @ izao tontolo izao, ny sain'ireo tanora Malagasy no tanjona. 

Nahazo tombon-dahiny ireo "majors" t@ taona 2019 satria ankoatra ny fitsidihana an'i New-York sy Washington dia niantohan'ny Siteny Fondation ihany koa ny fanohizan'izy ireo ny fianarana ambaratonga ambony any Maroc.

Tsy io ihany anefa no asa soa ataon'ny Fondation Siteny fa isan-taona dia mpianatra mendrika 200 mahery avy any Toliara no entiny manao vakansy ao Antananarivo rehefa andro fialan-tsasatra. Entiny mampisokatra ny sain'ireo zaza ny fandehanana mitsidika toerana hafa toy izao.

Rehefa manantona ny fidiran'ny mpianatra dia mizara fitaovam-pianarana indray ny Fondation Siteny.

Ho an'ny vahoaka any Atsimo...

Ny fizarana sakafo ho an'ireo Mpiray Tanindrazana iharan'ny kere any Atsimo koa dia anisan'ny asa soa lehibe ataon'ny Fondation Siteny. 

Misy ny fanampiana alefa @ alàlan'ny BNGRC fa misy koa ireo sakafo sy rano atolotra mivantana ireo olona tratran'ny Kere. 

Mizara jiro mandeha @ herin'ny masoandro koa ny Fondation Siteny.

Nisy koa ny foto-drafitrasa maharitra natolotry ny Fondation Siteny ho an'ny vahoakan'i Toliara mikasika ny famatsiana rano. Anisan'ireny ny paompy sy toby fakana rano izay naorina ao an-tanàna. Tsy mba mety ritra izy ireny na dia @ fotoana tsy fisian'ny rano @ toeran-kafa aza satria vita ara-dalàna.

Mitohy hatrany ny asan'ny Fondation Siteny 

izay natomboka 15 taona lasa izay !

Hajime Siteny by Pana Reeve © Tous droits réservés 2021
Optimisé par Webnode
Créez votre site web gratuitement ! Ce site internet a été réalisé avec Webnode. Créez le votre gratuitement aujourd'hui ! Commencer