Mpiaro Tontolo iainana

03/11/2021

Anisan'ny ahafantarana ny Solombavambahoaka Siteny Randrianasoloniaiko ny fanoherany ny tetik'asa Base Toliara izay fantatra fa miteraka fahasimban'ny tontolo iainana. 

Tsy irery...

Tsy irery i Siteny Randrianasoloniaiko @ izany tolona izany fa miara-misalahy amin'ireo mpikambana @ fiaraha-monim-pirenena (Société civile) sy ny mpanakanto toa an'i Théo Rakotovao ary ny vahoakan'i Toliara @ fiarovana ny vahoaka sy ny tananan'i Toliara tsy ho simban'ity tetik'asa ity.  

Fahombiazana hatrany no hita (toy ny @ sary eto ambony) rehefa manao hetsika fanoherana io tetik'asa io i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny mpiara-dia aminy. Noho ny hamafin'ny herim-bahoaka tarihiny dia naaton'ny Fanjakana t@ asany ny orinasa Base Toliara.

Toy izao ny fanehoan-kevitr'i Siteny Randrianasoloniaiko mikasika ity Base Toliara ity.

Maka fy ny Natiora...

Tsy am-bava fotsiny ny fitiavan'i Siteny ny Natiora sy ny Zava-boahary fa tena iainany ! Tia mamboly sy miompy ny lehilahy. Ny tanany rehetra dia rakotra zava-maitso sy bozaka avokoa. Mahafinaritra azy indrindra ny mampiseho fa azo atao tsara ny miompy omby vavy be ronono ao Toliara, na lazaina aza fa toerana maina. Miroborobo tokoa ny fiompiany ireo omby maro, mpamokatra ronono, ireo.

Anisan'ny zavatra tian'i Siteny koa dia ny miompy tantely. Manana toho-tantely (ruchers) maro izy ary izy tenany mihitsy no mirotsaka an-tsehatra mikarakara sy manara-maso azy ireny.

Hajime Siteny by Pana Reeve © Tous droits réservés 2021
Optimisé par Webnode
Créez votre site web gratuitement ! Ce site internet a été réalisé avec Webnode. Créez le votre gratuitement aujourd'hui ! Commencer