Mpandraharaha

09/11/2021

Niverina tao Toliara

Nandritra ny fotoana nandratoany fianarana tany Afrika Atsimo dia nivezivezy t@ tany miteny anglisy maro toa an'i Etazonia koa i Siteny Randrianasoloniaiko. Afaka nanorim-ponenana sy niasa tany Afrika Atsimo izy raha zohiana ny tambazotra sy ny fifaneraserany t@ mpandraharaha maro t@ ireo tany notsidihany.

Taorian'ny mariaziny dia niverina matetika tany Afrika Atsimo ireto mpivady vao. Tsy nanaiky anefa i Nelly raha tsy nody any Toliara izy roa. Resy lahatra i Nelly fa ankoatra ny asa sy ny fihariana dia manana adidy aman'andraikitra tokony sahanina eo anivon'ny fiaraha-monina, ary mila manasoa ny mpiray Tanindrazana aminy i Siteny fa tsy miorim-paka @ tany hafa. 

Ny karama azo t@ fampianarana judo, aloha no niveloman'izy mivady fony vao niverina tao Toliara. 

Nampiroboroboiny miandalana koa ny fanamboarana firavaka Bijouterie Siteny. Noho ny fananany ny fitaovana sy ny traik'efa @ fanefena, dia saika tao aminy avokoa ireo mpitrandraka volamena manerana ny faritra Atsimo no mamadika ny vongam-bolamena ho tonga firavaka. Ny fanondranana volamena mivoaka an'i Madagasikara kosa anefa dia tsy mbola nataony mihitsy na indray mandeha aza satria ampy ivelomany tsara ny seha-pihariana niasany.

Nanangana ny orinasa toy ny Siteny Immobilier sy ny Siteny Distribution izy. Ity farany no niandraikitra manontolo ny fivarotana sy ny fanaparitahana ny tapakila fahazoana "crédit téléphonique" Airtel, manerana ny Nosy.  I Siteny avokoa no mamatsy ireo mpivarotra rehetra, hatrany @ magazay lehibe sy ireo "épiceries" kely, ka hatreny an'arabe sy eny @ "taxiphone". Tato aoriana dia nanangana "pilones" ipetahan'ny émetteurs-n'ny Airtel manerana an'i Madagasikara koa ny orinasany.

Tonga ho anisan'ny mpandraharaha Malagasy "matanjaka" indrindra i Siteny Randrianasoloniaiko nanomboka  t@ taona 2007. Nanangana ny Immeuble Siteny ao Andaboly izy ary nanokatra ny TV Plus Toliara tao t@ 2012. Taty aoriana dia namorona ihany koa ny Radio Televiziona Siteny.

I Nelly vadiny kosa dia niandraikitra ny fitantanana ny British School of Madagascar izay toeram-pampianarana miavaka @ fampiharana ny fandaharam-pianarana avy any Grande-Bretagne, ary ireo mpampianatra rehetra miasa ao koa dia niofana tany avokoa.

https://www.youtube.com/watch?v=98WRaGzOVeM
Hajime Siteny by Pana Reeve © Tous droits réservés 2021
Optimisé par Webnode
Créez votre site web gratuitement ! Ce site internet a été réalisé avec Webnode. Créez le votre gratuitement aujourd'hui ! Commencer