Mpanao politika "mandresy hatrany"

04/11/2021

Averin'i Siteny Randrianasoloniaiko matetika @ fandraisam-pitenenany rehetra fa ny fampiroboroboana ny Fanatanjehantena sy ny Fanabeazana ny tanora no anisan'ny adidy voalohany indrindra tokony ataon'ny tompon'andraikitra rehetra laharam-pahamehana eto @ ny firenena. 

Noho izany dia namorona ny KIDS GAMES izy, izay fifaninanana ara-panatanjahantena nandraisan'ny tanora aman'aliny anjara manerana ny Nosy nanomboka t@ taona 2007. Nataony tam-pitiavana izany rehetra izany fa tsy nieritreritra ny hanao politika mihitsy izy.

Ny Kid's Games

Taranjam-panatanjahantena maro no nandraisan'ny ankizy an'alin-kisa anjara manerana ny faritra rehetra eran'i Madagasikara. Ny 3 novambra 2007 dia novorian'i Siteny Randrianasoloniaiko teo @ kianjaben'i Mahamasina ny ankizy mpandray anjara maro avy @ faritra rehetra. Io no fihaonambe nahavory ankizy maro indrindra teto @ tantaran'i Madagasikara araka ny filazan'ny mpanao gazety t@ izany andro izany.

Rehefa nahita ny fahombiazan'ny KIDS GAME ny fikambanana mpanao asa soa iray avy any Etazonia dia nanatona an'i Siteny Randrianasoloniaiko ary nampanantena ny hanampy azy ara-bola. Tsy nety nandray ny vola ity farany fa nangataka fiaraha-miasa @ ireto Amerikana @ fanatontosana boky fampianarana zaza Malagasy. Raikitra ary fa boky miisa 2 tapitrisa no hatonta sy zaraina maimai-poana @ ankizy. Nividy baolina 60 000 isa koa i Siteny Randrianasoloniaiko mba ho zaraina miaraka @ ireo boky.

Indrisy anefa fa nosakanan'ny Fitondrana Tetezamita ny fanatanterahana io tetik'asa io. Nanomboka teo no naha-tapa-kevitra an'i Siteny Randrianasoloniaiko hanao pôlitika.

"Tsy miankina"

Ady sarotra avy hatrany no natrehin'i Siteny Randrianasoloniaiko vao nirotsaka teo @ sehatra politika satria dia kandida notohanan'ny Fanjakana, tena matanjaka tokoa no nifaninanany t@ fifidianana solombavambahoaka t@ 2013 dia tsy iza izany fa Maharante Jean de Dieu, sady Mpitsara, no lehiben'ny Antoko Mapar t@ izany andro izany ary minisitra teo aloha. Na mafy aza anefa io sedra voalohany io dia nibata fandresena miezinezina i Siteny Randrianasoloniaiko izay nisafidy ny ho "Indépendant" na "Tsy miankina".

Teo anivon'ny Antenimieram-pirenena (2013-2018) dia voafidin'ireo solombavambahoaka ho Questeur voalohany i Siteny Randrianasoloniaiko.

T@ fifidianana Filoham-pirenena t@ 2018 dia niangavian'ny kandida Andry Rajoelina hanohana azy i Siteny Randrianasoloniaiko. Narahan'ny vahoaka an-tsakany sy an-davany ny toro-marika ka nahazo fandresena miezinezina ity kandida notohanany ity tao Toliara.

Voafidy ho solombavambahoaka fanindroany i Siteny Randrianasoloniaiko t@ 2018 ary mbola mitana izany andraikitra izany mandrak'ankehitriny. 

Marihina tsara fa tsy mpikambana @ antoko TGV izy na dia ao anaty vovonana IRD misy ny vondrona maro an'isa ao @ Antenimiera aza.

Ny azo lazaina dia, nibata fandresena hatrany i Siteny t@ tolona pôlitika rehetra izay nataony.

Hajime Siteny by Pana Reeve © Tous droits réservés 2021
Optimisé par Webnode
Créez votre site web gratuitement ! Ce site internet a été réalisé avec Webnode. Créez le votre gratuitement aujourd'hui ! Commencer