Mpanao Fanatanjahantena avo lenta

07/11/2021

Fony 12 taona i Siteny Randrianasoloniaiko no nanomboka nanao judo tao @ dojo tao Betania tantanan'i Maître Ashik Houssen Mamodaly na Me Aski. Tsikaritr'ity farany ny fahaizany sy ny fanajany ny fitsipika fitondran-tena ampiharin'ny mpanao haiady judo, ka na dia tsy nahaloa ny saram-pampianarana ara-dalàna isam-bolana aza i Siteny sy ireo namany vitsivitsy dia noraisiny hatrany ary noheveriny ho toy ny zanany.

Ny niatombohany...

Noho ny tsy fahampiana dia kimono iray no nanaovany nandritra ny taona maro ary rehefa rovitra io fanamiana tokana io dia zairina sy tapenana @ lamba soga. Ny tatami ianjerena t@ izany andro izany dia tsy mba malemilemy fa "planches" rakofana tsihy fotsiny. Rehefa misy fifaninanana dia asiana "pneus" mitandahatra ao ambany "planche" sy tsihy ary miampy lafika apombo rakofana labasy (bâche). Efa taty aoriana vao nahazo tatami tena izy nomen'ny Ambasady Japoney ny mpanao judo tao Toliara, noho ny fangatahan'ny lehilahy iray antsoina hoe Akirakaï.

Tompon-daka...

Tsy nanakana an'i Siteny ho tonga tompondakan'i Madagasikara izany fahasarotana sy sedra maro isan-karazany izany. Marihina koa fa tsara mpanazatra izy : i Me Aski dia efa matetika no tompondakan'i Madagasikara ary niaro ny voninahi-pirenena t@ Lalao Olympika t@ 1980 tany Moscou sy tany @ firenena maro.

T@ Lalaon'ny Nosin'ny Ranomasimbe Indiana (Jeux des Îles de l'Océan Indien) t@ 1990 dia tsy nanana kiraro akory i Siteny nony niakatra tao Antananarivo,  nandritra ny matso nataon'ny mpilalao rehetra. Na teo aza ny tsy fahampiana sy ny sedra nolalovany, nanomboka teo dia nisesy ny fandreseny ary voafantina hatrany handrafitra ny ekipa nasionaly izy. Faha-dimy izy t@ Lalao afrikanina "Championnat d'Afrique" tany Harare t@ 1995. 

Lasa mpanazatra nasionaly i Siteny Randrianasoloniaiko tato aoriana. Ary voafidy ho Filohan'ny Federasiona Judo teto Madagasikara nanomboka t@ 2010.

Toliara, renivohitry ny judo

Nandritra ny taona maro dia nanomana sy nikarakara lalao fifanintsanana isankarazany niaraka @ Me Aski hatrany i Siteny Randrianasoloniaiko. Anisan'ireny ny "Tournoi du Capricorne", andraisan'ny dia mpijery aman'arivony maro, sy mpifaninana 500 mahery anjara, isan-taona. Any @ ankohonan'ireo tanora ao Toliara, na any @ trano fianarana, no andraisana ireo "judokas" maro, tonga avy @ lafy valon'ny Nosy mandray anjara @ "Tournoi du Capricorne". Mandritra ny fotoanan'ny fifaninanana dia azo lazaina fa renivohitry ny judo eto Madagasikara i Toliara. Tato aoriana aza dia lasa lalao iraisam-pirenena izy io satria tonga nandray anjara koa ny mpanao judo avy atsy @ nosy La Réunion, Comores, Maurice. Nisy avy any Frantsa aza. 

Nanampy an'i Siteny Randrianasoloniaiko t@ fampiroboroboana ny taranja judo ny traik'efa azony t@ fikarakarana ireo hetsika lehibe sy ny fiofanana maro noratoviny tany Japon.  

Fahombiazana tanteraka tokoa no azon'i Madagasikara, t@ fandraisana ny "Championnat d'Afrique de judo" t@ 2017 sy 2020. Anisan'ny antony lehibe nahalany an'i Siteny Randrianasoloniaiko ho Filohan'ny Union Africaine du Judo (UAJ) ireo fahombiazana ireo t@ fifidianana tany Dakar t@ 18 mey 2021.

6e dan...

Ny 15 aprily 2022 dia niakatra eo @ laharana 6e dan @ Judo i Siteny Randrianasoloniaiko. 

Fatra-panaja Raiamandreny

Ny tena nanamarika io andro io dia ny fanomezam-boninahitra nataony manoloana an'i Me Laurette izay nitaiza mpanao judo malagasy maro. 

Hajime Siteny by Pana Reeve © Tous droits réservés 2021
Optimisé par Webnode
Créez votre site web gratuitement ! Ce site internet a été réalisé avec Webnode. Créez le votre gratuitement aujourd'hui ! Commencer